Madagascar

Isan’ny tanan-dehibe maneho endrikin’ny vanim-potoany “Moyen Age” ny tananan’I Gubbio aty amin’ny faritr’i Ombrie aty Italia, faritra afovoan’i Italia no misy azy. Teto Gubbio no nihaonan’i Md. François tamin’ilay liona malaza tena masika, izay nobaikoin’i Md François ka tonga hendry.

Io tanana io dia niorina any amin’ny 500 metatra amin’ny haavon’ny tendrombohitra antsoina hoe “Ingino” ary ny haavon’ny tendrombohitra dia eo ho eo amin’ny 900 metatra.

Nanomboka tamin’ny 1981 no nirotsaka antsehatra ireo mpanao asa an-tsitrapon’ny Gubbio mba hiara-mikarakara ity Hazo Noely Lehibe indrindra eran-tany ity……

Niorina eo amin’ny  tendrombohitra  “Ingino” ity Hazo Noely ity ary manehika ny “ ville de Gubbio” manontolo, izay manome karazan-pahazavana maro mahafinaritra sy mahavariana tsy misy toa azy. 300 no isan’ireo karazan-pahazavana andrafetany ity Hazo Noely ity ary lehibe tokoa izy satria mahatraka 750 metatra ny habeany, ao anatiny dia mbola ahitana karazam-pahazavana 400 samy hafa loko, ery amin’ny tendrony kosa dia ahitana ilay sarin-kintana lehibe izay mirefy 1000 mq ny velarany, io indray dia mbola misy 250 ny isan’ireo fahazavana monodidina azy.

Ity tsangan’asa ity dia tafiditra ao amin’ny Boky izay antsoina hoe: Guinness des “primati”;
mirehitra mandritran’ny vanim-potoan’ny Noely izy fa amin’ny Epifania vao mifarana.

Isan-taona dia olona amin’arivony maro no tonga mitsidika an’i Gubbio amin’ny fotoan’ny
Vakansy hibanjina ity Hazo ity.

 

 

ISA

 

1981 no nisongadinan’ity tsangan’asa ity voalohany

1000 mq ny velaran’ny kintana

250 ny isan’ny jiro manazava monodidina ny sisin’ny Kintana

300 ny isan’ny jiro manazava sy manome ny endriky ny Hazo

400 ny isan’ny jiro amin’ny loko isan-karazany

7.500 ml ny halavan’ireo fils ampiasaina mampifandray ity Hazo Noely lehibe ity

750 ml ny haavony Hazo

450 ml kosa no fivelanan’ny fototra ambany

1350 no isan’ireo “prises” mampifandray ny “électricité” herin’aratra rehetra manazava

53 ireo kosa no isan’ireo olona anatin’ny kaomity mandavorary azy

7 ireo mpanolon-tsaina amin’ny birao mpitantana

2.100 ny ora ilaina mba hatomombana ny fanorenan’ny Hazo

35 kw ny herin’aratra ilaina mba hampirehitra ireo jiro manazava rehetra

98 no isan’ireo gazety izay milaza ny momba ny Hazo Noely eran’ny izao tontolo izao